• Namoahana didy fandrarana tsy faha-mivoaka an'i Madagasikara, Ramatoa isany Rinah Rakotomanga sy i Michele Sahondrarimalala, Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha. Fandrarana, noho ny taratasy avy amin'ny Tale Jeneralin'ny Bianco... • Niala tao anatin'ny Vovonana Firaisankina ny antoko TIM, araka ny fanambarana nosoniavin'ny Filoha Nasionaliny. Nitondra fanazavana manoloana ny resabe naterak'izany androany, ny avy amin'ny mpikamban'ity antoko ity... • Nitaraina ny orinasa Star, momba ny hetra alain'ny fanjakana amin'ny vokatra vokariny. Niakatra telo avo heny, ka mahatrata 293 % io hetra io tao anatin'ny dimy taona, hoy ny fampitam-baovaon'ity orinasa ity androany...
♦ Namoaka ireo tanora nahavita fianarana tao aminy androany ny Ivon-toerana ambony Saleziana Don Bosco momba ny Filôzôfia ao Ankofafa, Fianaratsoa ISSaPhi SDB. Notolorana ny mari-pahaizana Licence ireo andiany nivoaka... ♦ Isan'ny laharam-pahamehana ho an'ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Gascar Fenosoa ao anatin'ny 2 volana ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny serasera amin'ny haino vaky jery... ♦ Anjakan'ny teratany vahiny ny sehatry ny famokarana herinaratra eto Madagasikara hoy ny kômity iombonana ho an'ny fanarenana ny orinasa JIRAMA ka mila andraisana fepetra izany...
♦ Nanao rano lava ny famindram-pahefana teo amin'ireo ministra vaovao sy ny teo alohany. Hiroso amin'ny fanovan-drafitra ny tafika Malagasy hoy ny Ministry ny Foloalindahy vaovao... ♦ Tontosa omaly teny amin'ny antenimieram-pirenena ny fifidianana ireo izay handrafitra ny birao maharitra vaovao. Voafidy ny filoha lefitra miisa enina. Kestora telo ary mpampaka-teny miisa roa... ♦ Miantso fakàn-kevitra ny Vovonana AMEN, mialohan'ny handaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2026. Tokony handalina tsara mialohan'ny fandaniana izany ny solombavambahoaka... ♦ Hihaona amin'ny filoha Xi Jiping ny Filoha amerikana Donald Trump anio alakamisy...
• Minisitera maromaro no nahavita ny famindram-pahefana androany... • Misy tombana ataon'ny orinasa Colas sy Poma, mahakasika ny fitaterana teleferika. Miankina amin'ny mpitondra ankehitriny ny fanarenana sy ny fanohizana ny fampandehanana ity fitaterana an-tariby ity, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanana Vaovao sy ny Toeram-ponenana teo aloha... • Miantso ny hisian'ny fakan-kevitra amin'ireo rehetra nitolona ho an'ny fanavaozana, ny Vovonana Amen, mialoha ny handaniana ny tetibolam-panjakana...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco