♦ Nametraka fepetra ny eo anivon'ny olafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) mialoha ny hirosoana amin'ny fifampiresahana amin'ny filohan'ny antenimieran-doholona. Takin'ny OJM aloha ny fialan-tsiny avy amin'ny filohan'ity andrimpan-jakàna eny Anosikely ity... ♦ Nitondra fanazavana ny ambasadaorin'i Madagasikara any Etazonia Rakotomalala Lantosoa momba ny haban-tseranana 15% amin'ny entana avy eto Madagasikara miditra any amin'ity firenena ity... ♦ Handrafitra ny toetry ny andro amin'ny ankapobeny amin'ity herinandro ity ny tsiokan'ny Varatraza antonony... ♦ Faritra maro any Taïwan ankehitriny no lasibatry ny tondradrano vokatry ny ora-nikija...

♦ Nitondra fanazavana nitarika fahasorenana ho an'ny mpanao gazety ny Antenimeran-doholona. Valin-kafatra namaly bontana ny fanambaràn'ny Olafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara... ♦ Hanomboka anio alatsinainy amin'ny alalan'ny fivorian'ireo Fonksioneran'ny SADC sy tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny SADC ny fihaonana antampon'ny SADC, andiany faha-45, izay raisina eto Madagasikara... ♦ Nisaraka ady sahala samy tsy nitoko ny Barean'i Madagasikara sy ny ekipan'i Mauritanie ny alin'ny faha-3 aogositra, tao anatin'ny CHAN... ♦ Maherin'ny 1.000.000 ireo tanora niverina tany amin'ny tany niaviany, nombam-pifaliana, taorian'ny jôbilin'ny tanora tao Roma...

♦ Maro ny tsy fahatomombanana sy ny osoka, ary ny hala-bato hita tamin'ireo fifidianana nisesy teto Madagasikara ka ilaina ny fanitsiana ny Lalàm-pifidianana hoy ny antoko ALFA... ♦ Misy ny lamina manokana ho an'ny fahadiovan'ny tanàna sy ny filaminana ao Antananarivo-renivohitra, ary haseho ireo vahiny avy amin'ny SADC fa tena mahay mandray vahiny ny vahoaka Malagasy... ♦ Lalam-pirenena efatra lehibe no andalam-panavaozana amin'izao eto Madagasikara, araka ny fampahafantarana avy amin'ny Ministeran'ny asa vaventy... ♦ Hifarana rahampitso alahady ny andiany faha-20 amin'ny "Assemblée plénière" ho an'ny Evekan'i Afrika sy Madagasikara, ao Kigali...

♦ Nanolo-kevitra ho an'ny CENI hanatsaràna ny zotram-pifidianana eto Madagasikara ny Kômity mitandro ny fahitsiana na ny CSI. Tokony ampidirina anatin'ny Lalam-pifidianana ny ady amin'ny kolikoly... ♦ Manaraka ny vidin'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena ny vidin'ny solika eto Madagasikara. Ny vidin-tsolika tamin'ny volana jona lasa teo no mihatra eto Madagasikara amin'izao volana aogositra izao, hoy ny Ministra tompon'andraikitra... ♦ Namoaka fanambaràna omaly voalohan'ny volana aogositra ny OJM holafitry ny Mpanao Gazety, manoloana ny valin-teny nataona filohan'Andraim-panjakàna iray tamin'ny mpanao gazety, izay miendrika fihetsika tsy mendrika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...