• Efa naroso ny daty hanaovana ny fikaonandoham-pirenena. Tokony mbola ho amin'ny volana jolay aza no saika hanombohana izany, hoy ny Minisitra misahana ny Fanavaozana... • Efa mihatsara amin'izao ny lalam-pirenena fahefatra, izay tena nampitaraina ny mpampiasa lalana teo aloha teo. Voalaza fa efa mihena ny fotoana lany amin'ny fandehanana, noho ny asa fanarenana... • Naaton'ny Federasiona amin'ny asany ny Filohan'ny Seksiona Antananarivo Renivohitra, eo amin'ny taranja Karate. Fikasana hitarika fikomiana sy fitoriana ny Federasiona eny amin'ny Fitsarana no anton'ny fampiatoana...

• Tovovavy roa handeha hitsangatsangana no voahitsaky ny fiaran-dalamby teny Soanierana omaly alatsinainin'ny Pantekoty. Namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy ny iray tamin'izy ireo... • Niampy 12,5 Mw crête, nanomboka ny faran'ny herinandro teo, ny famokarana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro ho an'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo... • Tratra ny ampahany amin'ireo tambajotra mpanondrana volamena antsokosoko, miainga etsy amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Olona 14 no nosamborina tamin'izany...

♦ Mitaky ny hanohizana ny fanadihadiana lalina momba ireo raharaha lehibe teto amin'ny Firenena tamin'ny andron'ny fitondrana teo aloha ny antoko KINTANA. Anisan'ireny ilay raharaha fanodikodinana volabe 4.000 miliara latsaka kely... ♦ Tsy maintsy manana "Permis de conduire" avokoa manomboka izao ny mpitondra fiara sy kodiaran-droa misy "moteur" rehetra, hoy ny ATT... ♦ Misy tambajotra goavana matanjaka ambadiky ny fanondranana sokatra an-tsokosoko eto Madagasikara. Antony mbola maha-sarotra ny fiarovana ny sokatra, raha ny tatitry ny sampandraharaha T.S.A...

♦ Nankalazaina omaly ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristiana. Ankizy mpianatry ny Ivon-toeram-piofanana arak'asa tantanan'ny Saleziana ety Ivato no nandray fahasoavana tamin'izany... ♦ Hiroso amin'ny fandaminana vaovao hanalefahana ny toham-boivoy ny tanàna an'Antananarivo. Kasaina hampiharina amin'ireo lalana miditra ny renivohitra ny antsoina hoe "Circulation alternée"... ♦ Voasazy higadra roa taona sazy mihatra ny Ben'ny Tanàna an'Antehiroka teo aloha, Lalaina Vatosoa, raha ny didim-pitsaràna navoakan'ny Pac. Nomelohina noho ny fivarotana tanin'olona niampy fanararaotam-pahefana izy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...