♦Manana olana amin'ny fidiram-bola ny Fanjakàna matoa tsy hanitsy ny teti-bolam-panjakàna eny anivon'ny Antenimiera mpanao lalàna hoy ny Profesora Ralison Roger...  ♦ Hisy ny fifaninanana fanajariana tanàna eo amin'ireo Fokontany 192 ao an-drenivohitra. Hahazo vola 200 tapitrisa Ariary hanaovana fotodrafitr'asa ireo Fokontany 5 voalohany, hoy ny filoham-pirenena... ♦ Nitondràna fanavaozana ny volavolan-drija-tenin-dalàna momba ny omby eto Madagasikara. Nisy ny fakàna sy fandravonan-kevitra mifandraika amin'izany teny amin'ny Antenimieran-doholona Anosikely, androany...

♦ Fotoana handraisan'ny filohan'ny repôblika Andry Rajoelina fanapahan-kevitra amin'ireo ministra tsy nahomby amin'ny asany, ny akon'ny fihaonan'ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpikamban'ny governemanta hoy ny antoko RPSD. Fihaonana hotanterahana ny 12-13 jona izao... ♦ Hanampy betsaka ireo madinika ny fifanaovan-tsoniam-piara-miasa eo amin'ny fikambanan'ny orinasa Malagasy FOM sy ny BNI amin'ny alalan'ny KRED Madagasikara... ♦ 69% amin'ny taham-pahaveloman'ireo zana-kazo nambolena amin'ny ankapobeny, raha ho an'ny taona 2024. Hamafisina hatrany ny ezaka fikolokoloana sy fanaraha-maso ny hazo novolena, hoy ny Ministry ny tontolo iainana...

♦ Manao ady sisika amin'ny famoahana ny mangarahara amin'ny fampiasam-bolan'ireo antoko pôlitika ny Transparency International Initiative Madagasikara (TIMG)... ♦ Voahosotra ho mpilalao mendrika teo amin'ny fifaninanana tsipy kanetibe i Samisa, ekipan'ny RDB, na dia resy teo amin'ny lalao famaranana aza, nandritra ilay fifaninanana ho an'ny orinasan-tserasera "Iray eny an-kianja 2025"... ♦ Tsy tana ny ain'ireo olona roa vokatry ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny lalam-pirenena faha-4, ary 20 no naratra, teo anelanelan'ny Mahatsinjo sy Ankazobe, omaly... ♦ Namerimberina ny antsoantso efa nisy hatramin'izay amin'ny fampitsaharana ny ady ny Papa Léon faha-14...

• Notanterahana androany ny fanombohana tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa maromaro etsy amin'ny Lac Iarivo Ivato... • Tokony hanokafana fanadihadiana ny voalazan'ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy, tamin'ireny horona-tsary navoakany ireny, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame, mpitarika ny RMDM... • Vonona tanteraka ny Ekipan'ny Radio Don Bosco, hiatrika ny fifaninana ho an'ny orinasan-tserasera, na ny Intermédia 2025. Hetsika izay hotanterahana eny amin'ny Kianja Barea Annexe Mahamasina, rahampitso...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...