• Milaza ho tsy miditra loatra amin'ny raharahan'ny Fitsarana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika. Naneho ny heviny momba ny raharaha fanenjehana ireo Mpanolotsaina Avo eo anivon'ny HCC izy androany... • Tsy mitombina ny filazana fa mbola manome vahana ireo “forongony” ny Faritra Analamanga, hoy Ramatoa Clémence Raharinirina. Nambarany tamin'ny mpanao gazety androany fa fanaratsiana sy fanenjehana fotsiny izany... • Nanendry mpitantana vonjimaika hisahana ny Vondrona SODIAT ny PAC Antananarivo. Notendrena amin'izany andraikitra izany Andriamatoa Serge Jovial Imbeh...
• Tsy hita taratra, hoy Ramatoa Perles Rasoloarijao, ny asan'ny Fitsarana Avo tokony hitsara ireo olona manam-pahefana nanodikondina ny harem-pirenena. Mila enjehina ara-pitsarana ireo nanao ny tsy nety teto amin'ny firenena... • Fandresena miisa roa omaly, no azon'ny Ekipam-pirenena Ankoay Lehilahy, amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany amin'ny Basketball lalaovin'olona telo, any Varsovie.... • Hampandraisina andraikitra iadiana amin'ny kolikoly ny tanora, amin'ny alalan'ny tetikasa iarahana amin'i Soisa sy ny OIF...
• Nahazo Eveka Mpanampy vaovao ny ao amin'ny Diosezin'i Morondava. Notendren'ny Papa Léon faha-14 hisahana izany andraikitra izany i P. Jeannot Martial Andrianandrainy, Vikera Jeneraly ao amin'ny Diosezin'Antsirabe... • Nihaona teny Ambohitsorohitra omaly, ireo tompon'andraikitra ambony eto amin'ny firenena sy ireo Filoham-piangonana ao amin'ny FFKM. Namafisina nandritra izany fa ankinina amin'ny FFKM ny fitarihana ny fikaonandoham-pirenena... • Tsy isan'ireo tanana ahitana trangan'aretina Impox betsaka intsony i Mahajanaga nandritra ny volana iray. Niisa 18 ny tranga voamarina hita ny talata teo, araka ny tatitra nivoaka omaly...
• Notanterahana androany tany amini'reo diosezy manerana ny nosy ny CEPE Katolika. Tsara ny lamina sy ny fikarakarana. Nanome lanja ny fanadinana ny ray aman-drenin'ny mpiadina... • Miroso amin'ny ady amin'ny tohitry ny mikraoba amin'ny fanafody, ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovain-jafy. Miisa 5.400 ny olona maty vokatr'izany ho antsika eto Madagasikara... • Tafita tany amin'ny tampon'ny Everest ireo teratany Malagasy nihanika izany tendrombohitra avo indrindra eran-tany any Népal izany. Higadona an-tanindrazana amin'ny zoma tolakandro izao izy telo mianaka...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco