♦ Arahi-maso ara-pitsarana ary miandry ny fotoam-pitsarana amin'ny 30 septambra i Alban Rakotoarisoa sy Clémence Rahariniriana, izay nanaitra ny olom-pirenena manoloana ny delestazy mbola mitohy mandraka ankehitriny... ♦ Maro ireo ambana mahazo ny sokatra an-dranomasina sy ny ahi-dranomasina any amin'ny faritra avaratra andrefan'i Madagasikara ka arovana ao anatin'ny tetik'asa ARO FANO... ♦ Nisy indray ny fanohitohinana sy fanilikilihana ireo mpanao gazety teny Mahamasina, raha toa ka mbola tsy nandrenesana tohiny ilay tranga teny Anosikely... ♦ Nanao fanambaràna amin'ny fisian'ny fiaramanidina manitsaka ny habakabaka Estoniana i Rosia...
• Miompana amin'ny fanofanana ny tanora sy ny mpampianatra, ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao, eo amin'ny sehatra teknolojika ny fiaraha-miasa eo amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ary ny Huawei Madagascar... • Nahafahan'ireo vondrom-paritra eto Madagasikara nifampizara traikefa sy fahaiza-manao, amin'ny fitantanana ny Faritra sy ny Kaominina misy azy, ilay fikaonan-doha momba ny fiara-miasa mahakasika ny vondrom-paritra teo amin'i Frantsa sy i Madagasikara... • Tsy tokony atao ho sakana amin'ny firosoana amin'ny fifidianana Loholona, ny tsy mbola fahafenoan'ireo mpifidy vaventy izay tokony handray anjara amin'ny fifidianana, hoy ny Ben'ny Tanana iray...
• Nanao hetsika an-dalambe, niainga teny Andrefan'Ambohijanahary nihazo ny Lapa Maitso eny Anosikely, ny Mpanolotsain'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra sasany, manoloana ny fisian'ny “délestage” manerana ny nosy... • Antenaina fa hivaha ny olan'ny famatsiana herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina atsy ho atsy, rehefa vita avokoa ireo tetikasa samihafa fananganana “parc solaire”, ahazoana herinaratra avy amin'ny masoandro... • Hanamafy ny fiarovana ny ankizy tsy ampy taona, manoloana ny firongatry ny fanararaotana mamoafady sy ny famarinana ankizy ny tetikasa Mitovy, izay tanterahan'ny ECPATE France...
• Mitombo ny isan'ny mpizaha tany tonga eto Madagasikara tamin'ity taona ity, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra. Hatao ao Maorondava ny fankalazana ofisialy ny Andro eran-tany ho an'ny Fizahan-tany, ny 27 sy 28 septambra 2025... • Nampiato vonjy maika ny fividianana katsaka eto an-toerana ireo orinasa lehibe mampiasa ny katsaka ho akora fototra, manoloana ny tsy fahampian'ny vokatra sy ny fiakaran'ny vidiny eo amin'ny tsena... • Efa niomana hatramin'ny ela amin'ny fifidianana Loholona hatao ny 11 desambra 2025 ny IRMAR, ao amin'ny Distrikan'Ambatofinandrahana, Faritra Amoron'i Mania. Tsy manana olana amin'ny mpifidy vaventy izy ireo, hoy ny Solombavam-bahoaka Razafindrabary Richard...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco