♦ Misy ireo olona nosamborina noho ny fisandohana ho mpiadina bakalôrea, tao koa ireo mpiadina nanao hosoka tsy afaka nanohy ny fanadinana intsony, ankoatra ireo nisoloky amin'ny laza adina izay efa notazomina am-ponja... ♦ Tanjon'ny fitoriana ataon'ny fianakavin'ireo lasibatry ny raharaha sampana hihazo Imerinkasinina-Ambohimalaza ny hamantarana ny marina indrindra ny hampiharana ny lalàna amin'ireo rehetra voakasika tamin'iny raharaha iny hoy ny mpisolovava... ♦ Efa vonona i Madagasikara hampiantrano ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 hoy ny avy amin'ny fitondram-panjakàna androany...
♦ Tsy voafehin'ny mpitondra ny tontolon'ny serasera tamin'ilay raharaha Ambohimalaza, tsy vahaolana velively ny fanakatonam-baravarana ny mpanao gazety manao ny asany hoy ny filohan'ny vaomieran'ny serasera eny anivon'ny antenimieram-pirenena... ♦ Nahitàna FESO na DAUPHIN 22 maty tao amin'ny Baie de Besikidy any amin'ny fari-dranomasina arovana ao amin'ny nosy HARA any Avaratr'i Madagasikara ny alatsinainy 21 jolay lasa teo... ♦ Hiroso amin'ny fanaovana lavanty ampahibemaso ireo fiara nogiazany afaka roa volana ny ARAI... ♦ Nosamborina noho ny fahitàna singa misy "plomb" tamin'ny sakafo ho an'ny mpianatra ny talen-tsekoly iray any Chine...
♦ Nanao fanambarana fiaraha-mientana hiatrehana ny fahamaizan'ny tsena Sabotsy-Antsirabe ny Evekan'Antsirabe Mgr Andriantsoavina Jean Pascal... ♦ Hitohy anio eny amin'ny Fitsaràna ambaratonga voalohany Anosy ny fihainoana ireo fianakavian'ireo maty nandritra ny raharaha Ambohimalaza. Izy ireo izay isany nametraka fitoriana an'i Fenohasina sy ny reniny... ♦ Nisy indray ny fihaonana niarahan'ny solontenan'ny mpiasan'ny JIRAMA sy ny Filoha Malagasy izay natao teny amin'ny Lapan'Ambohitsirohitra, omaly talata 22 jolay 2025... ♦ Niala tsy ho mpikambana eo anivon'ny UNESCO fanindroany indray ny Amerikanina rehefa niverina ho mpikambana 2 taona lasa izay...
• Mitaky ny hamoahana amin'ny fomba mangarahara ny valim-panadihadiana momba ny fanapoizinana ara-tsakafo nitranga tamin'ny faritra maro teto amin'ny nosy, ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena 400 isa. Miendrika fanodikondinana saim-bahoaka ny famoahana ny vaovao, hoy izy ireo... • Manara-maso akaiky ny fanadinana Bakalorea, ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Nampahatsiahiviny an'ireo lehiben'ny foibem-panadinana sy ireo mpampianatra mpanara-maso ny fanadinana, fa zava-dehibe ny fanarahana ireo toromarika efa nomena... • Tonga nankahery sy nametraka fandaminana ho an'ireo mpivarotra, ny teo anivon'ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe androany maraina, manoloana ny fahamaizan'ny tsena Sabotsy...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco