Nararaotin'i Haja ny fahatongavan-dRazay mivezivezy ao amin'i Ranja mitaky ny tombotsoa niraisana tao anatin'ny tsiambaratelon'izy roa. Nataony fitaovana hahazoana tanteraka sy manontolo an'i Ranja i Razay, satria gaga izy fa arakaraka ny efa nahafaty an'i Rivo no toa vao mainka nanalaviran'i Ranja azy, any amin'i Razay no hitany fa lalana azony hidirana.

Mampatahotra sy mampiahiahy mafy ny zavatra hitranga mandritra ny fampinomam-be, araka ny nambaran'ny olona mahatoky tamin'i Leva sy Anja. Be dia be ny haratsiam-panahy sy ny ankasomparana ataon'ny mpanozon-doha sy ny mpanao raharaha : ny harihitry ny tangena ampiasaina, ny fanoloran-dranon-koba sy ny sisa.

Miady saina mafy i Rivo fa fantany fa i Ranja no namono ilay renin-janany, reny niteraka an'i Mialy, na dia nahavita nisolo ny toerany nandritra ny dimy taona nivadian'izy ireo aza i Ranja. Sady malahelo an'i Ranja izy no mankahala azy koa. Nampiantso azy mianadahy : i Tefy sy i Mialy, handalo any amin'ny toera-piasany izy, mba hilazany izany vaovao izany, kinanjo ny vatany efa nangatsiaka no novantanin'i Tefy sy Mialy.

Sahiran-tsaina mafy i Ranja fa niverina indray ny fanaon'i Rivo aminy toy ny taloha : miavonavona, tsy miraharaha, handeha lavitra tsy mampiomana. Na i Mialy koa aza lasa nihafahafa tamin'i Ranja. Inona no antony ?

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...