Masindahy Joda no antsoina rehefa misy zava-dehibe manahirana, anatin'ny finoana sy fitoniana. Ny fanevan'ny satana dia ny vola aman-karena, ny voninahitra, ny fiavonavonana, ary mampiasa ny fomba sy ny fitaovana rehetra hanaovana tsindry hazo-lena ny hafa ; ny fahefan'i Kristy kosa dia ny fahantrana, ny fiharetana ny fanaratsiana isan-karazany, ary manao ho zava-dehibe ny famindram-po sy ny famelan-keloka. Zava-dehibe ny fanompona ny namana ... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny hasin'ny olona amin'ny dingana rehetra amin'ny fiainany : hatramin'ny torotoronina ka hatramin'ny fahafatesana voajanahary. Hatramin'ny fotoana voalohany isian'ny olona dia tsy maintsy ekena ny zony amin'ny maha-olona azy, ka anisan'izany ny zo tsy azo foanana ananan'ny olona tsy manan-tsiny rehetra ho velona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
Ny fahamendrehan'ny olona tsy miankina amin'ny taonany, ny fahasalamany na ny fahafahany mamokatra. Ny finoana kristianina dia manamafy fa ny hasin'ny olona dia miorina amin'ny maha-olona azy noharian'Andriamanitra araka ny endriny. Ny hasina dia efa ao amin'ny olona mialoha ireo... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
Manana adidy hitandro sy hikolokolo ny aina ireo mpino nomena andraikitra amin'ny fitantanan-draharaha amin'ny sehatra miankina sy tsy miankina, ary handala ny rariny sy ny hitsiny. Masina Andriamanitra izay inointsika ka deraina sy hajaina ary tsaohina sy deraina ; sitrak'izy Mpahary ny hamela tandindona sy famantarana ho antsika ka isan'ireny ny Sakramenta sy ny sakramentaly... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Volana nôvambra, fotoana anentanan'ny Eglizy ny fahatsiarovana sy ny fitondrana am-bavaka ireo efa nodimandry… • Tonga eto Madagasikara tamin'ny sabotsy 31 ôktôbra 2026, ny Lehiben'ny Fikambanana Ordre des Carmes Déchaux maneran-tany… • Antso iombonana ny fahamasinana fa tsy tombony ho an'ny olona tsirairay manokana, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco