Ny volana OKTOBRA dia azo ambara ho volan'ny fandresena sy fandraisan'andraikitra ho an'ny Tafika Malagasy sy ny Foloalindahy. Ny 31 oktobra 1991 no nivoahan'ny fifanarahana Panorama, vokatry ny fifampidinihina naharitra hateloana, tantara tsara hisintonana lesoa izany ; niavaka ity fifanarahana ity satria nahafahana nanaja ny Lalam-panorenana, faharoa namaly ny hetahetam-bahoaka ary fahatelo dia nahafahana nanomana fifidianana filoham-pirenena, zava-dehibe ny fiaraha-mitantana. Nanana anjara toerana lehibe hatrany ny Tafika Malagasy ho an'ny firenena sy ny politikam-pitantanana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
Ny talenta matetika tsy tsikaritry ny olona anefa isan'ireo afahana mampivoatra ny fiainana. Ny talenta dia fahaizana voajanahary. Ny olona rehetra dia manana talenta avokoa, miainga avy amin'ny vavahadin-tsaina dimy. Ny fomba hamantarana ny talenta, dia ireo olona kinga mahay sy mahazo vokatra tsara ary mahazo fifaliana amin'ny hetsika nataony. Ilaina ny fikolokoloana ny talenta mba hazoana vokatra tsara kokoa, ary maro ireo manao ho fototr'asa ny talentany. Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Nahazoana vokatra miabo ny fiaraha-miasan’ny Association Voahary Maitso na ny AVM tamin’ireo sekoly ao amin’ny faritra Itasy. Fikambanana miaro ny tontolo iainana, misehatra amin’ny asa fampandrosoana amin’ny alalan’ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny fantsaràna ny velon-tenan’ny mponina eny ambanivohitra ny AVM. Fiaraha-miasan’ny AVM amin’ny mpiara-miombon’antoka ny tetik’asa antsoina hoe fanabeazana hoan’ny Fiainana na ny Education for life...
Ny fanorenana fiaraha-monina marina sy milamina dia mitaky fanajana ny zon'ny tsirairay, fifampihainoana ary fahaizana mandray ny tsy fitovian-kevitra. Noho izany, ny olom-pirenena tompon'andraikitra dia mahafantatra ny zony sy ny adidiny, manaja ny lalàna ary mandray anjara amin'ny fiainam-piaraha-monina. Na dia tsotra aza ny fihetsika atao isan'andro, dia afaka mitondra fiovana lehibe sy mampandroso ny tombontsoa iombonana. Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar...
• Volana nôvambra, fotoana anentanan'ny Eglizy ny fahatsiarovana sy ny fitondrana am-bavaka ireo efa nodimandry… • Tonga eto Madagasikara tamin'ny sabotsy 31 ôktôbra 2026, ny Lehiben'ny Fikambanana Ordre des Carmes Déchaux maneran-tany… • Antso iombonana ny fahamasinana fa tsy tombony ho an'ny olona tsirairay manokana, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco