25 jolay no andro iraisam-pirenena hisorohana ny maty an-drano. Araka ny voalazan'ny OMS dia olona 236.000 isa eo ho eo no maty an-drano isan-taona. Anisan'ireo antony 10 lehibe mahatonga ny fahafatesan'ny olona 1 hatramin'ny 21 taona ny tranga maty an-drano. Betsaka ny ambana mety hahafaty an-drano eto Madagasikara: nosy voadidina ranomasina, betsaka toerana lalovan'ny renirano sy misy farihy na koa misy rano miandrona, faritra lalovan'ny rivodoza isan-taona ka mety ho tondra-drano... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.

Ny fanomezana hasina sy lanja ny tantara, ny tany ary ny teny dia manampy amin'ny fanavaozana satria mba miainga amin'ny zava-misy ny paik'adim-pampandrosoana. Ny fitiavana sy ny tontolony dia tsy afaka misaraka amin'ny olombelona, isika rahateo noharian'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fitiavana, ary indrindra nataony mitovy endrika aminy. Ny fitiavana dia fanoloran-tena, noho izany dia finiavana tsara hananan'ny tsirairay ny fifanajana sy ny fanajàna ary ny fifampatokisana. Misy endrika efatra ny fitiavana : Fitiavan'Andriamanitra, mpivady, mpianaka ary mpinamana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fitohizanaina manomboka amin'ny fotoana fitsaihina ao am-bohoka hatramin'ny vanim-potoanan'ny fahatanorana sy fahanterana dia hisian'ilay hoe "tsy maty ny aina fa mihofo." Tsy safidin'ny olona ny manapaka ny fotoana hiainana ny fitohizanaina satria tsy fahefan'ny olona ny mamono ny aina. Ny vanim-potoana fahatanorana (17 taona hatramin'ny 35 taona), avy nandalo handrakandrana, efa mahita hevitra kokoa hitondrana ny fiainana samy irery na eo aza ny tari-dalana omen'ny ray aman-dreny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny endometriose dia aretina eo amin'ny vehivavy izay miavaka amin'ny fisian'ny sela mitovy amin'ny rindrin'ny tranonjaza (endometrium) ivelan'ny tranonjaza. Ireo sombin-javatra ireo dia mamaly ny hormonina mandritra ny tsingerin'ny fadimbolana, ka miteraka fery, kista ary fanaintainana. Antony : Nolovaina avy amin'ny ray aman-dreny, fiforonana sy fahariana tsy nety tao anatin'ilay vehivavy hatramin'ny fahaterahany, tsy fahampian'ny hery fiarovana, fikorontanan'ny tsirim-panentana, olan'ny firafitry ny tranon-jaza... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...