Ny reny no akaiky sy maharaka indrindra ny fiainan'ny zanaka indrindra ny fianarany. Ny reny dia feno fanekena : nanaiky ny ho vady ary nanaiky ho reny, nitondra 9volana an-kibo ; ny reny dia misy fifamatorana amin'ny zanaka. Mitebiteby sy mihevitra hatrany ny fianaran'ny zanany ny reny ; afaka mamarana amin'ny fomba mahomby kokoa ny taom-pianarana miaraka amin'ny zanany ny reny, famerenan-desona, fanomanana fanadinana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Aretina efa nisy ary mbola misy ny takilo-drano, ary nisy ny hetsika entina hiadiana amin'izany tamin'ireo Distrika 19 manerana ny nosy tamin'ny alalan'ny fizaràna fanafody. Ny hetsika nasiônaly dia naharitra 5 andro ka nanomboka ny 12 mey hatramin'ny 16 mey 2025. Ny takilo-drao dia aretina vokatry ny kantsetsitra "kankana fisaka amin'ny karazana Schistosoma". Miaina sy mifindra amin'ny alalan'ny fifandraisana amin'ny ranomamy misy ireo bibikely ireo, izay ahafahan'ny sifotra mamoaka ireo kankana ireo.... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Manana otrik’arena goavana ara-tontolo iainana ampandrosoana ny firenena ny faritr’i Sofia. Havokavoky ny karazan-javamanan’aina eto amin’ny nosy ity faritra ity hoy Dokotera Manantsoa Clermond, Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ao Sofia. Isan’ny mitana ny laharana voalohany noho ny fananany morontsiraka 450 kilometatra, sy helidrano miisa dimy ny faritra.
Tafiditra anatin'ny soatoavina Malagasy ny fanajàna sy ny fikarakarana ny zokiolona. Andraikitry ny zanaka sy ny taranaka ny mikarakara ny ray aman-dreny niteraka, rehefa reraky ny fitadiavana izy ireny. Manana zo miaro azy toy ny olona rehetra ny beantitra ary enjehin'ny lalàna ny fanararaotana sy fampijaliana iniana atao amin'izy ireny. Ny fitsinjovana ny fahasalamana amin'ny fahanterana dia manomboka amin'ny fahakely... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco