Andriamanitra dia fitiavana, ny fitiavana no fototry ny fiainan'ny olombelona. Tandindonin-doza ny ho avin'ny rehetra noho ny fiovan'ny rafi-piaraha-monina vokatry ny rivotra entin'ny tambazotran-tserasera izay manimba ny fifandraisana sy ny maha-olona (saina, fo, vatana, fanahy). Ny fanajana sy ny fifanajana no fefy hiarovana ny fiaraha-monina, izay miainga amin'ny fitiavana. Ndeha hosanatriavina ny hoe KARAVASI (KARAna - VAzaha - SInoa) no hany hampandroso ny firenentsika fa mba izay soa nomen-janahary an'i Madagasikara. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

Amin'ny zanak'olombelona dia tsy misy ny fahombiazana raha tsy miasa, anefa ny fialan-tsasatra ihany koa dia mety mitondra fahombiazana. Ny atao hoe "fialan-tsasatra" dia matetika ho an'ny mpianatra anefa fiatoana kely aorian'ny asa natao na hetsika vita, fanaovana zavatra vaovao; ny fahombiazana dia firosoana amin'ny tsara kokoa, indrindra mitondra soa ho an'izay manao ny hetsika. Mitondra fahombiazana ny fialan-tsasatra raha toa ka niainga tamin'ny faharesen-dahatra, ka nahazo fahalalana vaovao, raha nampisongadina ny soatoavina sy ny fomba amam-panao taloha... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny meningite dia fivontosan'ny meninge, dia ireo fonon-koditra manarona ny atidoha sy ny tsokan-damosina. Matetika dia viriosy na bakteria no mahatonga azy io. Anisan'ny soritr'aretina mahazatra ny tazo, ny fanaintainan'ny loha mafy, ny hamafin'ny hatoka, ary ny fahatsapana tsy mahazaka hazavana. Ny aretina meningite dia azo tsaboina ary indrindra azo sorohina. Ny viriosin'ny kitrotro dia mety hiakatra ka hiteraka ny meningite, torak'izany koa ny donika sy ny kantsetsitra... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Manao hetsika hanentanana ny vehivavy hiatrika ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetr’andro ny ao amin’ny Fikambanan’ny Vehivavy hoan’ny kolotsaina sy ny fampandrosoana na ny AFCD. Fikambanana nijoro tany amin’ny taona 2016 saingy nohavaozina ny taona 2024. Nizara fahalalana hoan’ny mpanao gazety misehatra amin’ny tontolo iainana momba ny anjara andraikitry ny vehivavy manoloana ny amehana ara-toetr’andro eran-tany androany ny Fikambanan’ny Vehivavy hoan’ny kolotsaina sy ny fampandrosoana na ny AFCD. Tamin’ny alalan’ny Atrik’asa fifampizarana no nanehoana izany....

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...