Ny diantsika iombonana, izay niorina tamin’ny firaisan-kina sy ny fanantenana nanavatsava ny tantara sy ny tolona nentin’ireo Ray aman-dreny, dia manentana antsika ankehitriny hamelona indray ireo soatoavina Malagasy sy hanamafy ny adidy iombonana amin’ny fanorenana fiaraha-monina mirindra, mba hanana ho avy mamiratra sy maharitra ho an’ny firenena sy ny taranaka. Na samy hafa aza isika dia miara-miaina anatin'ny fanantenana.... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Maro ireo daty tsy azo adinoina izay mifamatotra amin'ny tantaran'ny firenena, tokony hatao mitovy ny fanamarihana azy ireny satria samy manana ny hasiny. Ny fahalalana ny tantara sy ny zava-nisy dia isan'ny fototra afahana mampandroso ny firenena. Ny fahiaza-mihaino dia afahana misoroka ny korontana sy olana maro amin'ny sehetra rehetra. Na mafy aza ny tosiky ny Saina vaotr'olombelona, tsy hasolo ny olombelona ireny, izay manana fihetsepo... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Isika eto Madagasikara dia marefo amin’ny fiovan’ny toetrandro, anisan’ny tratran’ny fatiantoka sy fahasimbana be indrindra isika : Tondra-drano – lalana potika – tetezana tapaka, Olona sy biby maty – fahaverezan’ny karazan-javaman’aina – zavatra tsy azo arenina intsony. Ny fatiantoka sy ny fahasimbana dia maharitra ary misy fiatraikany maro. Manana andraikitra isika amin'ny fanarenana ny tontolo odidin'ny toetr'andro : manao tetik'asa fanarenana, manentana sy manao haitaky ; ny fiangoanana afaka mandray antanana ireo traboina afaka manohana ara-tsaina sy ara-panahy... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny ray aman-dreny sy ny zokiolona dia manana andraikitra hifampizara traik'efa sy hampita izany amin'ny ankohonany avy. Ny hasin'ny ankohonana dia misongadina ho azy rehefa maneho fifampizaràna ny ray aman-dreny. Ny ankohonana dia lalam-piainan'ny zanak'olombelona, singa iray ao anatin'ny tsingerin'ny fiainan'ny olombelona, izay miantoka ny fitohizan'aina. Mbola manohy ny maha-izy azy ny olona iray na ao anatin'ny tokantrano aza fa manana sy mametraka tanjona iombonana kosa, izay manome aina vao ny tokantrano... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...