• Misy andian'olona nanao hetsika nanoloana ny vavahadin'ny Lapan'ny Tanana, mitaky ny fialan'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo... • Nihemotra indray, raha saika hanao hetsika teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey androany, ny K-FIM sy ny antoko Otrikafo. Nampanantsoina haingana nidinika tamin'ny Filoham-panjakana teny Iavoloha izy ireo... • Miha-mahazo vahana ao anaty tambajotra sosialy ny fitakian'ny tanora ny hampidinana ny saran'ny Internet eto Madagasikara, amin'izao fanovana kasaina hatao eto amin'ny firenena izao...

• Namoahana didy fandrarana tsy faha-mivoaka an'i Madagasikara, Ramatoa isany Rinah Rakotomanga sy i Michele Sahondrarimalala, Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha. Fandrarana, noho ny taratasy avy amin'ny Tale Jeneralin'ny Bianco... • Niala tao anatin'ny Vovonana Firaisankina ny antoko TIM, araka ny fanambarana nosoniavin'ny Filoha Nasionaliny. Nitondra fanazavana manoloana ny resabe naterak'izany androany, ny avy amin'ny mpikamban'ity antoko ity... • Nitaraina ny orinasa Star, momba ny hetra alain'ny fanjakana amin'ny vokatra vokariny. Niakatra telo avo heny, ka mahatrata 293 % io hetra io tao anatin'ny dimy taona, hoy ny fampitam-baovaon'ity orinasa ity androany...

♦ Namoaka ireo tanora nahavita fianarana tao aminy androany ny Ivon-toerana ambony Saleziana Don Bosco momba ny Filôzôfia ao Ankofafa, Fianaratsoa ISSaPhi SDB. Notolorana ny mari-pahaizana Licence ireo andiany nivoaka... ♦ Isan'ny laharam-pahamehana ho an'ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Gascar Fenosoa ao anatin'ny 2 volana ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny serasera amin'ny haino vaky jery... ♦ Anjakan'ny teratany vahiny ny sehatry ny famokarana herinaratra eto Madagasikara hoy ny kômity iombonana ho an'ny fanarenana ny orinasa JIRAMA ka mila andraisana fepetra izany...

♦ Nanao rano lava ny famindram-pahefana teo amin'ireo ministra vaovao sy ny teo alohany. Hiroso amin'ny fanovan-drafitra ny tafika Malagasy hoy ny Ministry ny Foloalindahy vaovao... ♦ Tontosa omaly teny amin'ny antenimieram-pirenena ny fifidianana ireo izay handrafitra ny birao maharitra vaovao. Voafidy ny filoha lefitra miisa enina. Kestora telo ary mpampaka-teny miisa roa... ♦ Miantso fakàn-kevitra ny Vovonana AMEN, mialohan'ny handaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2026. Tokony handalina tsara mialohan'ny fandaniana izany ny solombavambahoaka... ♦ Hihaona amin'ny filoha Xi Jiping ny Filoha amerikana Donald Trump anio alakamisy...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...