Mpinamana tsy mifankafoy i Malala sy Josiane. Mamy sy Rivo dia iray kilasy amin'i Malala, nitempo fitiavana amin'i Josiane i Mamy. Tapa-kevitra hitory fitiavana amin'i Malala ihany koa i Rivo, somary mampifilafila azy anefa iry voalohany. Taorian'ny fahavitan'ny fanadinana Baccalauréat dia samy nisafidy ny fianarana sy ny asa nataony ny rehetra, ary vita soa ny mariazin'i Mamy sy Josiana. Tafahoana izy efatra mianadahy taona vitsivitsy taty aoriana, nifoha ireo tsiahy ary namerina nanamafy ny faniriany hitia an'i Malala mandramaty i Rivo...  

Mpinamana sy mpiara-miasa i Meda sy Paoly. Mpamily fiara i Meda ary mpanampy azy i Paoly. Nandeha nitady asa izy roalahy rehefa niala tamin'ny asany teo aloha, ka sendra mpampiasa iray antsoina hoe Ra-Jean. Asam-pitanterana olona "bus" no nampiandraiketan'ny mpamiasa azy roalahy. Tsy ara-dalana ny kalitaon'ny fiara fampiasan'izy roalahy ary tsy misy fanajana ireo mpanjifa mihitsy izy ireo. Sarotiny amin-javatra maro I Ra-Jean dadan'i Rova ; nanehoany toetra ratsy ilay tovolahy hatao hoe Solo, naniry ho vinantony, nosedrainy...  

Mpiasa an-trano i Liza ary fianakaviana efa-mianaka no mpampiasa azy. Nandeha nitsangatsanga mba hialavoly izy efa-mianaka ; noho ny tonga tamin'ny toerana nokasaina haleha dia nanapa-kevitra ny hizara roa hitsidika toerana samihafa. Niaradia ny rainy sy i Ravo,  fa nisafidy lalana hafa i Rova sy ny reniny ; teny an-dalana hizaha rian-drano ireto farany no nisy tranga hafahafa satria nanjavona i Rova, izay tsy nahitàna fanazavana. 

Nahilikiliky ny fianakaviany sy ny namany taloha i Rado rehefa avy nisazy tany am-ponja, noho ny heloka tsy nataony. Efa saika namoy fo izy, no tafahaona tamin'ingahy Ravelo izay nanome asa azy sy nametraka fitokisana taminy ka nahatonga azy ho mpitantana mahatoky sy mpihary nahatsangana izay ho azy ihany koa. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...