Tantaram-pianakaviana miezaka miady amin'ny fiainana. Mpitarika sarety sy mpitatitra entana ny lehilahy ary mpanasa lamba sy mpitaona tany ny renim-pianakaviana. Fianakaviana roa samy anatin'ny fahasahiranana sy hakiviana. Nanam-piniavana sy fanantenana ho tafavoaka hatrany ny raim-pianakaviana, etsy ankilany kosa tsy mba misy fankasitrahana mba setrin'izany ezaka izany ny vehivavy. Mahay mifanohana sy mifanitsy amin'ny fiainana ny roa tonta, miaina amin'ny lalan'ny fahamarinana...

Fianarana mikabary moa no anton'ny fiaraha-misakafo. Tsy nijanona teo nefa fa niitatra tany amin'ny fanehoana ny antsipirian'ny fiainan'i Bary mpikabary, nanjary liana tamin'ny fifanakalozana traikefa amin'ny asa teo amin'izy sy i Dera.

Nanomboka teo, fianarana telo no indray nosahanin'i Dera : kabary, katekomena, toriteny. Namola-tena izy hiatrika ny zava-misy, satria izy ihany no nanao izay hisian'izany.

Nilaza tamin'ny rafozan-dahiny ny amin'ny fanapahan-keviny i Dera : hianatra hitoriteny. Faly ireto rafozany, tretrika i Vola tamin'izany.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...