Tamin'i Dera dia tsy fahafaham-po no vokatra nentin'iny fijerena hira gasy iny tamin'i Vola. Tsapany izany taty aoriana. Anjaran'i Vola indray kosa no nanasa an'i Dera hanatrika konseritra : nekeny an-jambany satria tsy nananany  fahalalana ny atao hoe konseritra.

Nahakivy an'i Dera ny vokatr'iny nijeren'izy telo mianaka hira gasy iny. Tsy azony intsony izay akon'izany tamin'i Vola, na tombotsoa na fatiantoka. Na izany aza nefa tsy noraharahiany izany, efa leo ny mivaky loha lava izao izy.

Ankoatra ny dihy sy ny tonon-kira mahasarika ao anatin'ny hira gasy, eo ihany koa ny adihevitra mahaliana ifanaovan'ireo mpijery momba ny seho iaraha-manatrika. Fa hatramin'i Rivo kely aza voasarika hifantoka ; ary vaky nampitaha ny fanaon'i Dera tamin'ny fanaon'ireo mpandihy.

Tonga ny andro alahady hijerena hira gasy, izay tsy mbola nahazoan'i Vola an-tsaina ny zava-mitranga manodidina izany. Fahasahiranana nifanesisesy aloha no nosedraina mandrapahatonga teo amin'ny toerana voatondro ho azy ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...