Hafaliana lehibe no nasetrin'i Vola ny fanirian'i Dera hianatra kabary. Vao nanomboka niatrika ny fampianarana izy dia nosedraina tamin'ny famerenana izay tadidiny tamin'ny momba ny fanombohana kabarim-panambadiana.

Na dia namakivaky tsy fahombiazana matetitetika aza i Dera ka nahatonga azy hieritreritra ny fotoana hahamendrika azy ho vadin'i Vola, dia nahatsapa izy fa tsy manaiky ny zava-misy tsy mahomby ; fa finiavana hanova ireny no setrin'izany.

Na dia noserantseranin'ny nenina aza i Dera teny am-boalohany rehefa nanatrika ny konseritr'i Handel, tato afara kosa tsapany ho nisy zava-dehibe banga tamin'ny fiainany raha tsy nanatrika izany fampisehoana izany izy.

Konseritr'i Handel no natrehan'i Dera sy i Vola. Hafahafa tamin'i Dera izany satria tsy nisy dobok'amponga fanairam-bahoaka, ho fampiomanana na sasisasiny akory ; na kabary kely fanokafan-danonana toy ny fahita amin'ny hira gasy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...