05 mey — I Judith dia niaina tamin'ny taonjato faha-13, zanak'olona avy ao Thuringe ao Allemagne izy, ary nanambady Polonais. Niteraka maro izy ireo.

04 mey — Eveka tao Gaza i Sylvain, niaina tamin'ny taonjato fahefatra. Olona malemy fanahy sy tia fandriampahalemana izy. Ary dia notanany hatramin'ny fahafatesany ny naha pretra sy naha eveka azy.

03 mey — I Masindahy Philippe dia teraka tao Bethsaïde akaikin'ny farihy ao Tiberiade toa an-dry Pierre sy André. I Masindahy Jacques resahina eto dia ilay antsoina hoe : Jacques le Mineur, na azo atao amin'ny teny malagasy hoe : Jacques zandriny. Mba hanavahana azy amin'i Jacques le Majeur no hiantsoana azy tahaka izany.

02 mey — I Md Athanase resahina eto dia ilay Mpampianatry ny Fiangonana. Teraka tao Alexandrie ny 296 izy, nobehazina sy nampianarin’ny fianakaviany araka izay tratra, ary tsy niala tao an-tranon-drainy izy raha tsy efa ho any amin’ny tempolin’ny Tompo, hobeazin’ny eveka tao Alexandrie.

01 mey — Masindahy Joseph mpiasa, Masindahy Joseph mpandrafitra, tsy iza akory io fa ilay Masindahy Joseph mpitaiza an’i Jesoa tao Nazareta, izay efa noresahin-tsika teto tamin’ny 19 marsa. Fa ny voalohan’ny volana mey dia nankalazaina sy natokana ho azy, fa natokana ho an’ny mpiasa ihany koa, noho ity olomasina ity mpiaro ny mpiasa maneran-tany.

30 aprily — I Masindahy Pie V dia ilay papa faha-225 nitondra ny Fiangonana ny taona 1566 ka hatramin'ny taona 1572. Antonio Ghislieri no anarany, teraka tamin'ny 17 janoary 1504 tao amin'ny tanana kely tao Bosco, akaikin'i Alexandrie tao amin'ny diôsezin'i Tortone.

29 aprily — Teraka tao Sienne ny 25 marsa 1347 i Catherine Benincasa. Nambara fa io andro io dia sady fankalazana ny Annonciation no Sampankazo ihany koa. Vao 5 taona monja i Catherine, izany hoe ny taona 1352, dia nahazo fisehoana, dia ny fisehoan'i Kristy Mpanjaka.

28 aprily — I Masindahy Pierre Marie Chanel dia teraka tao Cuet, kaominina Montrevel-en-Bresse, ny 12 jolay 1803. Zaza fahadimy amin'ny valo mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Claude François Chanel no rainy, ary i Marie Anne Sibellas no reniny. Tantsaha izy ireo.

27 aprily — Teraka tao Bozzanello akaikin'ny tananan'i Lucques ao Toscane tamin'ny taona 1212 i Zita. Nobeazain-dreniny, izay vehivavy feno hatsaram-panahy sy manetry tena izy. Mbola zaza i Zita dia efa nalefaka, malemy paika sy manetry tena ihany koa, ary notezaina hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra.

26 aprily — Ilay papa fahatelo nitondra ny Fiangonana nanomboka ny taona 79 hatramin'ny 91 no i Masindahy Clet resahana eto. Araka ny voarakitra ao amin'ny Liber pontificalis dia Romana i Clet ary i Emilien no anaran-drainy. Teraka tao Patricius ao anatin'ny faritr'i Esquilin izy, izay tsy mifanalavitra loatra amin'ny toerana nipetrahan'i Masindahy Pierre.

25 aprily — Araka ny fikarohana dia teraka tao Galilée i Masindahy Marc, izay heverina fa taran'i Aaron. Zanaky ny mpananon-tena nantsoina hoe Marie izy. I Jean na Joany no tena anarany fa anaram-bositra ny hoe Marc.

24 aprily — Ny Fidèle resahana eto dia ilay avy any Sigmaringen. Teraka ny ôktôbra 1578 tao Sigmaringen i Fidèle. Marc Roy no tena anarany. Noheverina fa nianatra tao amin'ny sekolin'ny zezoita tao Fribourg izy, avy eo nandalina ny filôzôfia tao Strasbourg ary namarana sy nahazo ny mari-pahaizana momba izany ny taona 1601.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...