13 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 13-17)

12 janoary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 1-12)

11 janoary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 40-45)

10 janoary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 29-39)

9 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 21-28)

Ny zaza manana ny ampy sady maneho toetr'olombanona dia mampanadino ny hambanian-tsarangan'ny ray aman-dreniny ; ary mamerina ny hasina ho an'ny tena sy ny fianakaviana. Rehefa mivoatra amin'ny lafim-piainana rehetra ny olona dia misokatra mijery ny hafa ary mahatsapa tena ho tompon'andraikitra ihany koa amin'ny hafa ka mety ho foana ilay toe-tsaina tia tena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo : Mifalia fa akaiky ny Tompo ; ato amiko ny fanahin'ny tompo, nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin'ny malahelo aho. Evanjely Masina nosoratan'i Md Joany 1, 6-8 ; 19-28 : Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra, Joany no anarany ; tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan'ny olon-drehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy... Alahadin'ny hafaliana no iantsona ny alahady fahatelo amin'ny fiavian'ny Tompo. Ny hafaliana no tokony hanenika ny mpanara-dia an'i Kristy na amin'ny mora na amin'ny sarotra...

Tsy voafaritry ny fanànana fotsiny ny olona mivoatra. Misy ireo tena manana saingy tsy mahay mampiasa izany mba haha-mety ny fiainany hifanaraka amin'ny tena mha-olona. Ny fivoaram-piainana dia mahakasika ny maha-olona manontolo ka mahasahana ny lafiny teknika izany hoe ny fampiasana ireo fitaovana manamora ny fiainana andananandro. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Misy lafintsarany sy lafiratsiny ny fomban-drazana. Mampiombona mora kokoa ny malagasy ny fomba malagasy sy ny fomban-drazana nifandovana, indrindra ireo mifahatra amin'ny ara-pitondran-tena : fihavanana, fifanajana, fiarovana ny aina ary ny fiombonana eo amin'ny samy mpiara-belona, ny fahaiza-miaina. Ireo soatoavina ireo dia anisan'ny zavatra tsara anefa potika noho ny toe-tsaina sy toe-po ananatsika koa mila mitandrina isika amin'ny fomban-drazana mba tsy ho lasa fanompoan-tsampy...

Adidin'ny mpanabe ny mamolavola ireo ankizy sy tanora mba hanana fahalalana sy fahaiza-manao, hahay hitondra-tena mendrika sy ahalala fomba ary mahay miaina. Olon-kendry izay mahay miaina. Ny raiamandreny mihitsy no mila fanabeazana voalohany satria ny fahendrena dia azo vokatry ny fandinihana ny zava-misy sy traik'efa ary iny no maharitra sy mitoetra ao amin'ny ankizy.  Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Fahaizana  : MÛSÄR amin'ny teny hebrio. Misy heviny roa : ny voalohany dia hoe manasazy na manitsy. Ny fanitsiana sy ny fananarana na koa ny fanasaziana dia zavatra ataon'ny lehibe amin'ny olom-peheziny, ny raiamandreny amin'ny zanany, ny mpampianatra amin'ny mpianatra ; ny faharoa dia mampianatra sy manabe ary manoro ihany koa ny izany hoe fanabeazana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

8 janoary 2024 — Batemin'ny Tompo — Fety — Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 6b-11)

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...