Lohahevitra telo lehibe no nifanentanan'ny lahika teto Madagasikara tamin'ny fankalazana ny andron'ny lahika ny 23-25 septambra 2022. Nivoitra nandritra ny fandalinam-pinoana fa manana anjara toerana lehibe amin'ny fijoroana ho vavolombelon'ny fahamarinana ny lahika eo amin'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ireo lohahevitra telo ireo nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan'Ambatondrazaka, Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Asam-pamonjena ataon'ny Lahika
Voambara ao amin’ny fahazavan’ny misterin’ny Pakan’ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany ho velona ny hevitra kristianina momba ny fahafatesana. Izany no iorenan’ny hany fanantenantsika. Mandao ity vatana ity ny kristianina, izay maty ao amin’i Kristy Jesoa mba handeha honina eo akaikin’ny Tompo. Manazava ny momba ny fombam-pivavahana mandritra ny fandevenana kristianina i P. Randriamanamahenina Robert Marie
Mandrisika ny olona handray ny voka-dehibe amin’ny sakramenta ny sakramentaly. Naorin’ny Fiangonana izy ireny mba ho fanamasinana ny andraiki-panompoana sasantsasany ao amin’ny Fiangonana, ny lalam-piainana sasantsasany, ny toe-java-miseho maro karazana tokoa eo amin’ny fiainana kristianina. Fanazavana momba ny hevitry ny sakramentaly entin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie
Ny faha-04 ôktôbra no fankalazana ny fetin'i Md François d'Assise. Ny Papa mitantana ny fiangonana katôlika ankehitriny dia nisafidy hisalotra ny anarana "François" rehefa teo amin'ny Fiketrahana Masina. Misy ny fitsidihana ataon'ny Jeneraly eo anivon'ny fikambanan'i Jesoa maneran-tany eto Madagasikara. I Md François d'Assise tamin'ny fahavelomany dia zanak'olona manan-karena fa tamin'ny faha-25 taonany dia nisafidy ny fiainam-pahantrana naka tahaka an'i Kristy, hizara fahasoavana amin'ny ireo olona sahirana. Ity olomasina ity dia nahazo ny fahasoavana tamin'ny niainany ny fery dimin'i Kristy, tamin'ny felan-tanany roa sy ny tongony ary ny manandrify ny fony. Maneho ny hoe eglizy miara-dia ny fitsidihana atao eto Madagasikara...
Ny 12 ôktôbra dia fetin'ny olontsambatra Jean Beyzim, ary fitondrana am-bavaka ireo marary hoditra rehetra. Zava-dehibe ny fanabeazana ka mila kajiana sy kolikoloina amin'ny sehatra rehetra, miainga eo anivon'ny ankohonona ka hatreny amin'ny fiaraha-monina. Mila ampiana ny zaza, ny zatovo, ary ireo tanora na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy fa ireo no manorina ny tanteraka ny maha-olona manontolo. Samy manana ny fomba hikarakarana azy ireo singa telo ireo : ara-batana dia ny sakafo sy ny fitafiana miampy fanatanjahantena ; ny ara-panahy dia fikolokolohana hananana fahalalana ; ny ara-panahy dia ny vavaka. Mila mifanampy sy mifampitaiza ny mpiara-belona...
Ny fiheverana ny atao hoe fivelomana andavanandro dia : ny hohanina, ny hitafiana, ny hitsaboana raha marary, ny adidy eo amin'ny fiaraha-monina sy ny firenena... Zary tanjona ny vola, izay tokony ho fitaovana ka tsy handanjalanjana intsony ny fomba ahazoana azy ka tonga hatrany amin'ny : fanapotehana ny hafa, ny herisetra, ny fanambakana, ny halatra sy ny vaky trano. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Amin'ny ankapobeny sy ny lôjikam-piainana dia ny raim-pianakaviana no tena miasa mamelona sy miahy ary miaro ny fianakaviany. Mila fiomanana mialoha ny maha raim-pianakaviana : na ara-potoana na ara-piariana, izany hoe manana antom-pivelomana, manana fonenana mitokana. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny tsy fananana fahaleovantena eo anatrehan'ny ray aman-dreny dia mitarika fiankinandoha izany hoe tsy zatra mandray andraikitra sy mitrosa matetika. Mila mihezaka mampivelatra ny sehatra fiariana izay hanorina tokan-trano. Ny olana dia mila hatrehina satria ny olana dia natao ho vahana fa tsy handosirana. Iainana ilay teny nifanomezana : "na inona hidona na inona hiatra..." Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Satria fianakaviana no resahana dia manana andraikitra ihany koa ny reny eo amin'ny asa fivelomana. Toy ny lehilahy ihany dia mila fiomanana ihany koa ny ho renim-pianakaviana, ka ankoatra ny fianarana dia ny fizarana amin'ny asa madinika ao an-trano. Na miasa na tsia ny vehivavy dia izy no tokony hiandraikitra ny fitantanana. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny fijoroan'ny renim-pianakaviana ho mpanohana sy mpankahery ny vadiny dia efa tohana lehibe sady mandrisika azy hiasa. Adidin'ny raiaman-dreny ny mamelona ny zanaka, sady zon'izy ireo koa ny ho toy ny zana-bahoaka : misakafo, mianatra, mitafy, milalao. Ny fandraisana andraikitra sy fizarana asa madinika ao an-trano dia tsy fampiasana zaza fa fanazarana azy. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Fifamenoana ny fiainana, ka mila mifameno amin’ny lafiny maro ny ray sy ny reny ao an-trano ho fampandrosoana ny ankohonany. Hoy ny Soratra Masina: “Isika rehetra dia samy momba ny tenantsika avokoa, koa tsy natao hifanohitra ny tsy fitoviantsika, fa hifameno. Tsy ozona ny asa fa tso-drano avy amin'Andriamanitra sady mampiavaka ny olombelona. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny asa no mampiavaka ny olombelona amin'ny zava-boary hafa rehetra. Natao hivelomana sy hanaovana adidy ary hahasambatra ny asa. Fanohizana ny asa fahariana nataon'Andriamanitra ny asa ka mila kolokoloina sy hajaina mba hahatsara izao tontolo izao sy hahafahan'ny olombelona manjaka aminy fa tsy sanatria manjakazaka. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco