Fahefana nomen'Andriamanitra ireo mandray ny tso-dranony ny fanohizana ny asa fahariana ny aina. Na dia mafy aza ny mety ho diavin'ny olona eto amin'ity tany ity dia ataony izay fomba rehetra hitandrovana ny aina. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny aina dia marefo satria toy ny : entona. Ny olona dia tahaka ny zava-poana, ny androny dia tahaka ny aloka mihelina. Misy ny fomba fiteny malagasy fa ny aina dia tsy hananam-piry na tena tsinontsinona mihitsy aza. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Masina ny Aina ka izay no mahatonga an'Andriamanitra hiaro ny Ain'olona sy handràra ny famonoan'olona, ary ny fanakanana ny aina aza dia tsy ankasitrahan'Andriamanitra. Ny fanajana ny aina dia hita taratra ao anatin'ny didy folo : aza mamono olona. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny firaisam-batan'ny mpivady dia tsy biolojika fotsiny fa misy lafiny ara-panahy. Ireo nahazo ny tso-drano avy amin'Andriamanitra no manana adidy sy andraikitra hanohy ny asa fahariana. Manana ny andraikitra feno ny rehetra amin'ny fitandrovana ny aina : ny olona tsirairay, ny vaomieran'asa... Hoy Jesoa manoloana ny fanalan-jaza: izay ataonareo amin'ireny madinika ireny dia amiko no anaovanareo azy. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Mafy ny fifanatrehana sy ny sedra manoloana ny fandrosoana ara-teknolojia, hany ka mahasarotra ny fiarovana ny aina ihany koa izany. Ny asa fahariana dia mifototra amin'ny tso-drano avy amin'Andriamanitra. Ny fiombonan'aina eo amin'ny mpivady dia mahatonga azy ireo ho tompon'andraikitra. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny andro fankalazana ny "Trinite Masina" no andro natokana ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona. Amin'ity taona 2022 : andro maneran-tany faha-56 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, izay napetraky ny Papa ho an'ireo mpikirakira ny fitaovam-pifandraisan'ny mpiara-belona. Ny loha-hevitra amin'ity taona ity : "Mihaino amin'ny fo", izay mifanohy amin'ny loha-hevitra tamin'ny taona lasa. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Manoloana ny fivoaran'ny tontolon'ny serasera sy ny filazam-baovao amin'ny alalan'ny teknolojia dia tena ilaina ny fahaizana mihaino. Ny olona maro izay notsaboina momba ny ratra-po mpahazo ny olombelona sy ny filana dia noho ny faniriana lalina te-hohainoina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Misy ireo andalan-tsoratra Masina ao amin'ny Baiboly ao izay mampianatra antsika fa ny mihaino akory tsy hoe "mandre amin'ny sofina" amin'ny maha retsi-pandrenesana azy fotsiny fa tena mifandray tanteraka amin'ny fifampiresahana eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona. Ny fihainoana dia tsy avy aiza fa fahasoavana avy amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny fahaiza-mihaino dia mifanaraka tsara amin'ny toetran'Andriamanitra manetry tena. Izany asany izany no ahafahan'Andriamanitra manambara ny tenany ilazàny hoe izaho no ilay misy ary mahary ny olombelona hitovy endrika aminy, amin'ny alalan'ny teniny fotsiny ihany, ary rehefa mihaino Azy dia mahalala azy. Tia ny olombelona Andriamanitra ka izany no nampihainoany azy ireny ny teniny. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Mifanohitra amin'izany kosa anefa, toa misy fitanilàna handositra ny fifandraisana ao amintsika olombelona ao, hitodi-damosina ary "hanampi-tsofina" tsy hiaino. Io fandavana hihaino io mazàna dia miafara amin'ny herisetra mianjady amin'ny hafa, tahaka izay nanjo indrindra ny diakra Etiena, araka izay voatantara ao amin'ny boky mintantara ny Asan'ny Apostoly, fa nanampi-tsofina taminy ny olona... Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Izany indrindra no nahatonga an'i Jesoa nanamarina ny fahaizan'ireo mpianany mihaino ka nahatonga azy niteny hoe :"koa tandremo àry ny fihainoanareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin'izay ananany aza". ireo izay mandray ny Teny amin'ny "fo marina sy tsara" ihany ary mitandrina azy tsara no hitondra voa tsara ho amin'ny fiainana sy famonjena. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Tsy maintsy amin'ny alalan'ny fitandremantsika tsara izay olona henoitsika, sy izay ambarany ary ny fomba fihainontsika azy ihany no hahazoantsika mitombo sy miha-lehibe ao amin'izany hoe haitaon'ny serasera izany, ka ny ivony dia tsy resaka fahalalàna ara-teknika fotsiny ihany fa "ny fahafahan'ny fo izay mampanjary ny fifanakaikezana". Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco