Mila miresaka sy mifanakalo hevitra matetika ny zanaka sy ny ray aman-dreny. Atao izay hahatsapan'ny zanaka fa tia sy manohana azy i dada sy i neny, izany tsy midika hoe mampihanta azy. Raiso toy ny namanao akaiky ny zanaka, raiso toy ny olona misaina sy manomboka efa lehibe. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Aoka ho fantatsika fa ny "safidy" ao amin'ny olombelona dia anisan'ny fanomezan'Andriamanitra ambony indrindra, ka na Izy Mpahary aza dia manaja io safidy mipetraka amintsika olombelona io. Apetrany amintsika olombelona ny safidy na hanaraka ny lalan'ny fiainana na ny lalan'ny fahafatesana. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Tiana ny zanaka ka atao izay hahatsapany ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana ao an-tokantrano sy y lanjan'ny namana. Mila mianatra mandanjalanja sy mahay manavaka ny namana tsara sy ny naman-dratsy ny zanaka. Hajaina ny safidin'ny zanaka mba hitomboany ary mba hahaleo tena izy. Ankaherezina ny ankizy fa tsy disoina raha misy tsy takan'ny sainy. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Sarobidy sy masina ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny fianakaviana iray, satria mamaha olana maro eo amin'ny mpivady ary miteraka fiombonana eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreny. "Mpifankatia tsy miresaha hono very ny androatokom-pitiavana". Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Mila ianarana ny fifampiresahana ao an-tokantrano, sao manao fifampiresahan'ny samy marenina ka ny azy ihany no asesitsesika fa ny an'ny hafa tsy re na oviana na oviana. Tsy mety raha mba miresaka nefa ny anao ihany no tiana apetraka sy tanterahan'ny hafa. Tsy mety ny resaka miafara amin'ny ady saritaka. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Tafiditra ao anatin'ny fifampiresahana ny "fahanginana" amin'ny fotoana sasany, ka ny fitoniana dia manampy betsaka amin'ny fifampiresahana. Tsy voatery hitovy hevitra avokoa ny fianakaviana miray trano. Harena ny tsy fitovian-kevitra mba hisian'ny fivelarana marina eo amin'ny fiainana sy hahitana ny lalana tokony hizorana. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Ireto avy ny hatsaram-panahy ilaina amin'ny tsirairay ao amin'ny fianakaviana mba hahafahana mifampiresaka : fahatsorana, mahitsy fo, tsara sitrapo, tia, mahazo ny hafa, mahay mihaino, mahay mangina, mahay mihaiky fa diso ary mahay mamela ny hadisoan'ny hafa. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Ireto ny fahavalon'ny fifampiresahana ao an-tokantrano : fitohanana, tahotra, fiahiahiana, fankahalana, toe-tsaina manafinafina, fanamelohantena mialohan'ny fotoana, fahasahiana. Ny fahasahiana dia manimba ny fifampiresahana ao an-tokantrano... Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Ao amin'ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia niresaka toy ny fianakaviana iray raha namorona ny olombelona : " Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika" (Jenezy 1, 26). Ilaina ny fifampiresahana mazava fa tsy miolakolaka mba harisika sy resy lahatra ilay olona hanatanteraka ny soa iombonana. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Ny tokatrano mifanaraka tsara no afaka mifampiresaka mba hahatonga ny fiainana ho lavorary. Ny dinidinika atao no mahatsara fiaraha-miasa, kanefa ilaina ihany koa ny sazy mba hanitsiana ny ho avy raha misy mandika izay efa nifanarahana. Ny fifampiresahana sy ny fahaiza-mihaino mazava dia mandrisika sy maharesy lahatra ny tsirairay hanao zavatra tsara. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Sabotsy 17 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 4-15
Zoma 16 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 1-3
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco