Ny Sakramenta fanosorana ny marary dia Sakramenta natao mba hahasoa ny fanahy sy ny vatan'ny marary ary ahazoana fahasitrahana ; mankahery ny marary amin'ny fahosan'ny fanahy, ny saina ary ny sitrapo, ary manafaka.ny fahotana sy ny sazim-pahotana. Adidin'ny Pretra manome ny sakramenta fanosorana ny marary no manome ny indolizansy ny marary, indrindra ho an'ireo marary ambavahoana. Ny indolizansy dia famelana omen'ny Eglizy ivelan'ny konfesy ka manafaka ny sazim-pahotana misy fetra, valin'ny hota efa navela. Ny indolinzansy dia misy roa : manontolo sy ny tsy manontolo izany hoe manafaka fahotana sy sazim-pahontana voafetra...

Tokony hamakafaka fatratra sy handalina amin'ny alalan'ny mpitsabo na hitady olona manam-pahaizana mikasika ny fanabeazana ny rehetra fa tsy hianona fotsiny amin'ny honohono na toro-hevitra avy amin'ny namana satria sarobidy ny aina sy ny fahasalamana. Ny fametavetàna dia fahadisoana, anefa ny fanalan-jaza ihany ko adia fahadisoana faharoa, koa ao samy hitandrin-tena ny rehetra. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Alahady fahadimy amin'ny karemy : Te hihavana amintsika Andriamanitra ; raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran'ny mpanompoko. Miantefa amintsika Kristiana ankehitriny ny fanirian'Andriamanitra, te ho Andriamanitsika Andriamanitra. Mila mandini-tena isika ka mametraka fanontaniana hoe : efa mifanaraka amin'ny antson'Andriamanitra ve ny atao rehetra, ekeko ve ny fitantanan'i Kristy, mitombo ve ny fifandraisako amin'Andriamanitra?. Ny famonjena dia tsy natao ho an'ny Jody irery fa ho an'ny firenena rehetra. Ny fitiavana sy ny fanoloratena dia mety hitondra fijaliana sy fahafatesana, izay mitia na tiavina dia mahatsapa sambatra sy faly, izany no maha voambary nafafy antsika, maty vao velona...

17 marsa 2024 — Alahady Fahadimy amin'ny Karemy — Raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 20-33)

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...