27 marsa 2024 — Alarobia Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14-25)
Fahotana mahafaty ny fanalan-jaza satria maniratsira an'Andriamanitra Mpahary ny aina ; manala ny zon'ny olombelona hiaina. Ny firaisana ara-nofo dia fitiavana fa tsy kilalao. Ny fandriandram-piterahana ara-boajanahary no soso-kevitry ny fiangonana. Manana adidy lehibe ny mpanabe ho fampianarana mikasika ny fiainana sy ny fitiavana, tokony olona vonona amin'ny lafiny rehetra ny olona miroso hanorina tokan-trano. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
26 marsa 2024 — Talata Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 21-33. 36-38)
Raran'ny fiangonana ny fanalan-jaza satria eloka mamoafady tokoa. Hoy ny Papa Joany faha-II : Fikorontanan-tsaina lehibe ny fanalan-jaza hiniana atao ho toy ny tanjona na toy ny fomba enti-manao satria mamono an-tsitra-po ny olona tsy manan-tsiny. Heloka bevava mitarika tsy fahazoana mandray Sakramenta ny fanalan-jaza na ny firaisana tsikombakomba amin'ny fanaovana izany. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco