Ny zokiolona dia akaiky kokoa ny ankizy ary tena namany ; ny tanora anefa tsy mahari-pery ka mahatonga ny tsy fifankahazoana. Maro ireo hevitra tsy mampilamina ny fifandraisan'ny tanora sy ny zokiolona, heverina ho manakana ny fahalalana azy io tranga io. Olana tena miseho ny toetra amam-pihetsiky ny tanora. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

16 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 23-28)

Nisy fotoana nisahirana kokoa mampiasa saina mba hananana kilalao, ilay hilalao no mamorona. Ankehitriny, mandray vonona ireo efa vita araka ny fivoaran'ny teknolojia ny rehetra ; misy lafin-tsarany sy rafi-ratsiny anefa izany ary miantraika amin'ny fomba fisainana ; ohatra ny kilalao basy dia misarika ny saina ho tia ady. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

15 janoary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 18-22)

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...