Mbola ilàna ezaka mafy ny hananan'ny olona eto amin'ny firenentsika ny fiainana tena mendrika ny maha-olona. Raha tiana ny hananana fivoaram-piainana tena izy dia tsy maintsy hatomboka amin'ny fanabeazana matotra sy feno ary araka ny voalazan'ny Soratra Masina. Rehefa mahazo fanabeazana tsara ny olona dia hivoatra ny asa fivelomany, hanao mihoatra ny vitan'ny ray aman-dreniny. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
9 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 21-28)
Ny ray aman-dreny dia lasa mijanona ho mpiteraka fotsiny, fa tsy manana ny hasiny intsony, noho ny fandrosoana mivaona amin'ny maha olona, amin'ny soatoavina. Mandray tsy ampiheverana ny fandrosoana isika ankehitriny, tsy afaka mandanjalanja, tsy mahay mandray ny endrim-pivoarana mifanaraka amin'ny toe-karena sy ny fomba fisaina ary ny fomba malagasy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
8 janoary 2024 — Batemin'ny Tompo — Fety — Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 6b-11)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco