Tonga nofo ny teny mba ho ohatra ho antsika fa môdely amin'ny lafiny rehetra ; ny sehatry ny asa no resahina amin'ity katesizy ity satria ny fanaovana ny asa ampahamarinana sy ampamendrehana dia tsy antoky ny fivoarana fotsiny fa antoky ny fahamasinana ihany koa. Mila mitandrina ny zava-boahary isika olombelona mba hitondra soa sy harena ho an'ny rehetra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
30 desambra 2023 — Andro fahenina amin'ny Havaloan'ny Noely — Imbetsaka fahiny Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 36-40)
Ny olombelona rehetra no mpihavana satria tonga mpiray tampoho noho ny zanak'Andriamanitra. Tsy maintsy miala amin'ny toe-tsaina samy maka ho azy ary mandray ny olona rehetra ho rahalahy ka tsy hanavakavaka na hanilika na iza naiza raha tena mivelona ny misterin'ny fahatongavana ho Nofo ny olona tsirairay. Miantso antsika hiverina amin'ny tany sy hikarakara azy hamokatra ny misterin'ny fahatongavana ho Nofo. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
29 desambra 2023 — Andro fahadimy amin'ny Havaloan'ny Noely — Andro masina no mamirapiratra ho antsika: avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 22-35)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco