Ny olona velona dia tsy maintsy miasa, maro ny fampianaran'ny fiangonana mikasika ny maha zava-dehibe ny asa. Ny mpiandry ondry olona voalohany nahita ny zanak'Andriamanitra teraka dia olona nanana ny asany amin'ny maha mpiandry ondry azy ; toraka izany koa ireo majy olona mpandinika ny kintana sady nanana fanatitra saro-bidy izany hoe tsy olon'olom-poana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
28 desambra 2023 — Ireo zaza tsy manan-tsiny, Martiry — Fety — Midera Anao izahay, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny tafika manehoehon'ny martiry dia midera Anao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 2, 13-18)
Ny anton'ny fahatongavana ho nofo dia ho fanatontosana ny asa famonjena. Araka ny fiekem-pinoana Nicée-Constantinople hoy isika hoe "... ary isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra, ary naka nofo tamin'i Maria Virijiny Izy noho ny herin'ny Fanahy Masina ka tonga olombelona". Raha tena mino an'i Jesoa tonga olombelona dia miezaha ho mendrika. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
27 desambra 2023 — Masindahy Joany, Apôstôly — Fety — Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 2-8)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco