27 aogositra 2023 — Alahady Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Taona A — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-20)
Ny asa dia talenta izay azo adika hoe fananana. Manana fahaizana, tsy mitovy isika olombelon ary io fahasamihafana io no mifameno. Samihafa ny fahaiza-manao ananan'ny olombelona rehetra ary fanomezam-pahasoavana manokana io. Ampiasaina araka ny fitokisan'Andrimanitra amintsika ny talenta, izay misy dingana : andrana, mitombo traik'efa ary tonga ho mpiasa raikitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
26 aogositra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)
Fenitra voajanahary hatrany am-piandohana ny asa ho an'ny olombelona, ary efa nisy talohan'ny fahalavoana izy, koa tsy sazy na ozona velively. Lasa hasasarana sy fahasahiranana izy noho ny fahotan'i Adama sy Eva, izay nanapaka ny fifandraisana tamim-pitokisana ary nirindra teo amin'izy ireo sy Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco