18 aogositra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 3-12)
Araka ny voasoratra ao amin'ny Soratra Masina dia misy fanoharana momba ny asa hita ao : ny voalohany ny tantaran'ilay zaza mpandany, ny faharoa fanoharana ny momba ny talenta ary ny fahatelo dia ny fanoharana mikasika ny mpiasa eo amin'ny tanim-boaloboka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
17 aogositra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35 ; 19, 1)
Maro ireo nihevitra fa mpiray petsapetsa amin'ny mpanota i Jesoa Kristy tamin'ireo fanasana natrehany. Ny asa dia ahitana fifanaharana hatrany, ohatra : rehefa nantsoin'i Jesoa Kristy dia nanaiky ho diovina i Matio. Azo atao tsara ny miasa ara-pahamarinana sy ara-drariny ho fanasoavana ny daholobe. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco