11 aogositra 2023 — Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 24-28)

Ny asa dia manambara ny maha-izy ny tena. Maro ny olona no mihevitra fa izay mahazo vola betsaka amin'ny tambin'ny asa no ambony. Ny asa mendrika dia izay rehetra mampivelatra ny maha-olona. Araka ny voasoratra ao anaty Baiboly ; rehefa niantso ny mpianany i Jesoa dia niova ny asa fanaon'ireo voaantso ary lasa mpanarato olona izy rehetra.  Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

10 aogositra 2023 — Masindahy Laurent, Diakra Martiry — Fety — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 24-26)

Ny asa dia voaresaka im-betsaka ao anatin'ny Baiboly indrindra fa ao anatin'ny Evanjely, ohatra amin'izany ny hoe "i Jesoa zanaky ny  mpandrafitra" izany hoe nanana ny asany i Joseph. I Jesoa dia mpandrafitra tahaka ny rainy, niara-niasa amin'ny rainy ny zanaky ny Jody. Nanafitohana ny olona sasany ny fahagagana nataon'i Jesoa ary niaran'ny fanambaniana ny asan'ny mpandrafitra tamin'izany. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...