9 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)

Ny asa dia fanomezam-boninahitra. Namotika ny fahamendehan'ny asa ny vola satria miseho amin'ny endrika famonoana olona. Ny asa no nahatonga ny fisian'ny vola, lasa navadiky ny olona zava-misy ka zary fehezin'ny fisian'ny vola ny asa, izay tsy mandeha araka ny tokony ho izy ; anefa efa voalaza ny hoe : "katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra dia omena anao ny ambiny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

8 aogositra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana ny Ray, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 1-2. 10-14)

Ny asa dia nisy talohan'ny vola ; ny vola dia efa nisy 5000 taona talohan'i Jesoa Kristy. Ny hevitry ny asa dia tsy araka ny fomba fiheverantsika andavanandro satria araka ny voasoratra dia tsy nisy resaka vola tao amin'ny saha Edena, ary tsy ny vola no mandrefy ny asa. Ny asa dia entina ifandraisana amin'Andriamanitra satria manohy ny asa fahariana ny olombelona. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...