4 jona 2023 — Alahady, Ny Trinite Masina — Fankalazana manetriketrika — Taona A — Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-18)
Matetika isika miteny hoe afobe eto an-tany raha toa ka samy mirona amin’ny tenany avy ny tsirairay, tsy mieritreritra afa-tsy ny momba azy. Ny mampiova ny fiaraha-monina dia tsy inona akory fa ny fiombonana, fifanampiana, fiaraha-miaina. Raha izany miantra eo fiaraha-monina izany dia manoboka miaina paradisa isika satria ny rariny sy fiadanana no manjaka. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo.
3 jona 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 27-33)
Fadio ny toe-tsaina te hampirisika ny hafa fotsiny sy ry toe-tsaina tsy te hiraharaha ; Indraidray tokoa isika manana fo te hanampy ny hafa nefa tsy te hosasatra eo amin’ny fiainana ka tratrany atao hoe fiatsarambelatsihy : faly midera sy mamporisika ny hafa nefa tsy te handray anjara fanampiana amin’ny hafa. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco