Indraindray ny lahateny mamy dia mandrehitra indray ny afo mitsilopy ao am-pon'ireo izay tena mafy fo. Tena ilaina amin'ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisn'ny mpiara-belona ny "miteny amin'ny fo" sy amim-pahalemam-panahy. Ezaka ny hanampiana ny olona hahay handinika tsara anatin'ny fitoniana sy hahay hamakafaka ny zava-misy. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
9 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 35-37)
Ny firotsahana anatin'ny fiseraserana "amin'ny fo sy sandry mivelatra" dia tsy mahakasika fotsiny ireo mpikirakira matianina amin'ny fitaova-pifandraisan'ny mpiara-belona fotsiny fa dia tena andraikitry ny tsirairay mihitsy. Samy voaantso hikaroka sy ny hanambara ny fahamarinana avokoa isika rehetra, ary hanao izany anatin'ny tena fitiavana. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
8 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco