Raha ny fomba fijerintsika mitsara tsy miangatra, mety ve ny samy maka hoazy, eny fa na dia hamonoana ny ain’ny hafa aza, na dia hanapotehana ny fiainany mba hahafahako mivelona sy miadana kokoa amin’ity fiainana ity?. Mampadinika antsika ny fomba fihetsika ny olona manodidina antsika amin’izao fotoana iainana izao. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo.
27 mey 2023 — Sabotsy, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin’ny Fahamarinana, hoy ny Tompo; Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 20-25)
Ny fitaovam-pifandraisana dia manome sehatra ahafahana manasongadina ny "fifanakalozana". Ny fitaovam-pifandraisana dia minamafy ny fifandraisan'ny mpiara-belona ary isan'ireo mampisy ny "fiombonana". Misarika ny sain'ny mpampiasa ny fitaovam-pifandraisana ny Egilsy mba hahay handanjalanja ny fampiasana azy io. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
26 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 15-19)
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco