29 aprily — Teraka tao Sienne ny 25 marsa 1347 i Catherine Benincasa. Nambara fa io andro io dia sady fankalazana ny Annonciation no Sampankazo ihany koa. Vao 5 taona monja i Catherine, izany hoe ny taona 1352, dia nahazo fisehoana, dia ny fisehoan'i Kristy Mpanjaka.
Misy heviny roa ny maha-katôlika ny Eglizy : irahina ho an'ny vahoaka rehetra izy, dia ilay vahoaka eo anivon'izao tontolo izao ankehitriny, sy ilay vahoaka mbola ho avy eto amin'izao tontolo izao. . Afaka mihaona amin'ny kolon-tsaina maro izy nefa tsy mitaona azy hampitovy ny kolon-tsaina rehetra akory izany, io no maha-katôlika azy faharoa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
28 aprily — I Masindahy Pierre Marie Chanel dia teraka tao Cuet, kaominina Montrevel-en-Bresse, ny 12 jolay 1803. Zaza fahadimy amin'ny valo mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Claude François Chanel no rainy, ary i Marie Anne Sibellas no reniny. Tantsaha izy ireo.
Fehezan-teny manomboka ny fampianaran'ny Konsily ny hoe : Antsoina ho anisan'ilay vahoaka vaovaon'Andriamanitra ny olona rehetra ; noho izany, io vahoaka io dia sady mijanona ho iray sy tokana, no tsy maintsy itarina eran-tany sy mandavana ny taon-jato rehetra. Ny hampiombona ny olona rehetra no nanirahan'Andriamanitra ny zanany dia i Jesoa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco