26 aprily — Ilay papa fahatelo nitondra ny Fiangonana nanomboka ny taona 79 hatramin'ny 91 no i Masindahy Clet resahana eto. Araka ny voarakitra ao amin'ny Liber pontificalis dia Romana i Clet ary i Emilien no anaran-drainy. Teraka tao Patricius ao anatin'ny faritr'i Esquilin izy, izay tsy mifanalavitra loatra amin'ny toerana nipetrahan'i Masindahy Pierre.

Tokony hihaino ny feon'ny Vahoakan'Andriamanitra ny mpiandry azy : indrindra momba izy iainany, ny fiainam-pinoany amin'ny andavanandro, ny zavatra tsapany ara-panahy. Harena ho an'ny Eglizy izany satria miteny amin'ny alalan'izy ireny ihany koa ny Fanahy Masina. Voaantso hiaina ny fiombonana anatin'ny finoana lalina ny Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

26 avrily 2025 — Sabotsy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 9-15)

25 aprily — Araka ny fikarohana dia teraka tao Galilée i Masindahy Marc, izay heverina fa taran'i Aaron. Zanaky ny mpananon-tena nantsoina hoe Marie izy. I Jean na Joany no tena anarany fa anaram-bositra ny hoe Marc.

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...