19 marsa 2025 — Masindahy Josefa vadin'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana manetriketrika— Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 16. 18-21. 24a)

18 marsa — I Cyrille de Jérusalem dia teraka tao Jerosalema nanodidina ny taona 315. I Acace, arseveka tao Césarée no nifidy azy ho eveka hisolo an'i Maxime ny taona 350. Vetivety foana anefa dia tsy nifankahazo i Cyrille sy i Acace satria nisy adihevitra teôlôjika tamin'izany vokatry ny Kônsily tao Nicée nanameloka ny fampianaran-diso nataon'i Arius.

18 marsa 2025 — Talata, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)

17 marsa — Ny Patrice na Patrick, resahana ny 17 marsa dia ilay nantosina hoe Apôstôlin'i Irlande. Teraka tao Boulogne-sur-Mer tamin'ny taona 373 i Patrice ary heverina fa zanaka anabavin'i Masindahy Martin de Tours izy.

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...