28 marsa — Ny ankamaroan'ny tetiandro dia manonona an'i Masindahy Gontran ho an'ity andro anio ity. Mpanjaka tao Bourgogne izy io, maty tamin'ny taona 592. Zafikelin'i Clovis sy Clotilde izy, ary i Clotaire Voalohany no rainy. Rehefa maty ny rainy dia izy no nandray ny fanjakana tao Bourgogne sy Orléans ary nitoetra tao Chalon-sur-Saône.

28 marsa 2025 — Zoma, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

27 marsa — Teraka tao Tel-Sheba, akaikin'i Édesse izany hoe i Urfa ao Turquie amin'izao fotoana izao. Nohamasinina ho diakra tamin'ny taona 321. Marihana fa ity tanana niainan'i Habib ity dia noheverin'ireo silamo Turcs fa i Uhr teo aloha izany hoe ny tananan'i Abrahama Patriarka.

27 marsa 2025 — Alakamisy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy— Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...