Alakamisy 5 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-23
Betsaka ankehitriny ny tanora mianatra mitia ny fahanginana sy mifandray akaiky amin'Andriamanitra. Misy andiana tanora mivory mba hitsaoka ny Sakramenta Masina na hivavaka miaraka, izay efa mivoatra tokoa. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alarobia 4 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 21-28
Mitana anjara toerana goavana amin'ny fiainan'ny tanora ihany koa ny fikatsahana fahasambarana, voajanahary izany. Andriamanitra nahary ny olona hisaina ary nanome azy ny fahamendrehana. Tiako hoy ny Pape Fransoa, raha ny tsirairay avy no mikatsaka io hasambarana io, dia ny hasambarana maharitra mandrakizay. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco