Tsy maintsy olon'ny vavaka ny kristiana. Na dia mbola tsy manana zavatra mivaingana hanontaniana momba izay ho vady aza ianao dia tokony ary tsy maintsy mijoro eo anatrehan'ny Tompo mba hivavaka ary mangataka Aminy mba hitarika anao. Ny vavaka ho an'ny vady iriana dia tena vavaka manokana. Ny tenin'Andriamanitra ihany koa dia manolon-tsaina amin'ny fisafidianana vady. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
23 aprily 2024 — Talata, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 22-30)
Ny vavaka dia mitana anjara toerana lehibe ao amin'ny Jenezy. Mila olona mivavaka raha kristiana hihevitra ny hiditra amin'ny fiainan-tokan-trano. Hery sy aina ho an'izay tia azy ny vavaka. Raha tsy misy vavaka mafonja sy amim-paharetana dia tsy hahita vady sahaza ny olona iray. I Jesoa dia nivavaka isaky ny haka fanapahan-kevitra, maika fa isika olombelona!! Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
22 aprily 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco