16 jona 2024 — Alahady Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)
Mivoatra ara-tantara ny fanatonan'ny olombelona an'Andriamanitra, ary lavorary sy tonga lafatra ao amin'i Jesoa kristy. Teo amin'ny Testamenta taloha, tao anatin'ny tahotra sy horohoro no nanatonan'ny olombelona an'Andriamanitra, izany hoe toy ny mpanompo, tsy manana ny tena fahafahany, fa ao amin'ny fampianaran'i Kristy dia afaka mifandray am-pitokisana tanteraka amin'ny isika, toy ny fifandraisan'ny Ray sy ny Zanaka. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
15 jona 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 33-37)
Ny vavaka dia antso miantefa any amin'Andriamanitra. Ny fanambarana nataon'i Jesoa, izay fototry ny vavaka ataontsika kristiana dia misy endrika telo mifameno sy mifampiankina, izany hoe iray ihany satria Andriamanitra no ambarany : fanambarana ny zava-nitranga, izy norototoina tao am-bohoka hatramin'ny nitsanganany ho velona ; fanambarana ny Teniny ; fanambarana ny tenany, ny maha Izy Azy zanak'Andriamanitra. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco