12 aprily 2024 — Zoma, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)

Ny fianarana no lova tsara indrindra, hoy y fiteny mahazatra. Kanefa indraindray misy koa mametraka fanontaniana hoe : hiatrika fiainan-tokan-trano ve dia ilàna fianarana?. Hanambady ve dia ilàna diplaoma? fa moa ve hanabe ny zanany sy hanara-maso ny fianaran'ny zanany ny tanora nanao antsirambina ny fianarany?. Ny fahalalana no entina mampivoatra ny fianakaviana. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

11 aprily 2024 — Alakamisy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 31-36)

Tafiditra tanteraka amin'ny drafitr'Andriamanitra hitantanany ny fiainan'ny zanak'olombelona ny maha lahy na ny maha vavy. Io indrindra no ilazàn'ny Baiboly hoe : "ary hitan'Andriamanitra fa tsara avokoa izay rehetra nataony" (Jenezy 1, 31). Tsy ampy ny mahalala hoe "lahy na vavy" fa ilaina ny manaiky ary mitaky fitondrantena mendrika sy mifanaraka amin'izany. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...