1 aprily 2024 — Alatsinainy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 8-15)

Ny filaharana dia tsy inona fa Sakramenta manome ny fahefana sy ny fahasoavana, ilaina amin'ny fanantanterahana ny raharaha masina, sady manisy amin'ny fanahy ny marika maha pretran'i Jesoa Kristy. Ny raharaha masina fanaon'ny pretra dia ny manao lamesa sy manome Sakramenta ary ny mitory ny Evanjely. Ny maha filaharana azy dia satria izy misy ambaratonga maro : Eveka, Pretra, diakra... Ny Alakamisy Masina no nanaovan'i Jesoa Kristy ny sakramentan'ny Filaharana. Ny Eveka ihany no manao ny filaharana. Ilaina ny Pretra satria izy ireo no manao ny lamesa sy mizara ny sakramenta...

Izay rehetra mahita na mandre ny fanalan-jaza nefa tsy miteny dia miray tsikombakomba amin'io asa ratsy io. Ny fanohanana ny fanalan-jaza dia fandraisana anjara amin'izany fahotana lehibe izany ary tsy ahafahana mandray kôminio ho an'ny mpino katôlika. Ny Sakramenta dia rafitra misy ao amin'ny Fiangonana, tsy mendrika handray anjara amin'ny Kôminio Masina ny olona manohana ny fanalana zaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Alahadin'ny paka : Nitsanga-ko velona tokoa i Jesoa ; efa voavono i Kristy izay Paka  ho antsika ao amin'ny Tompo. Tsy zavatra efa lasa no ankalazaintsika amin'ny Paka fa tena miditra ao amin'ny Misterin'ny Pakan'i Jesoa isika olombelona, dia izy nijaly sy maty ary nitsanga-ko velona. Isaky ny manao ny Sorona Masina ny Eglizy dia mankalaza ny Pakan'i Jesoa. Isaky ny manatrika ny lamesa sy mankalaza ny Paka isika dia mihaona amin'i Jesoa tafatsangan-ko velona. Ny fijoroana vavolombelona dia mitaky fiovan-toetra, satria efa nodiovin'i   Jesoa, rehefa resiny ny fahafatesana, dia ny toetra ratsy sy ny tsy mety natao teo aloha, ary izany no ezaka amin'izao Paka izao, ka mba ho hafaliana ho ao an-tokantrano...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...