5 febroary 2025 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)

• Ho betsaka ny rotsak'orana any amin'ny tapany avaratra andrefan'ny nosy. Faritra maromaro no mahazo fampitandremana miloko mena. Ahitana izany androany ny any Bestiboka sy ny tapany avaratr'Alaotra Mangoro... • Mitady hiverina ny endrika sakatsakana tamin'ny taona 2015 amin'ny fitakiana atao, hoy ny sendikalista. Nangata-panazavana momba ireo namany noadiadiana  teny Fiadanana ny Randrana Sendikaly... • Niroso tamin'ny fandravana ireo trano manohintohina ny asa fanamboarana ny Rocade mankety Ivato ny tompon'andraikitra nanomboka androany...

• Tombanana ho levona an-tanety any amin'ny ilany atsinanan'ny nosy ato anatin'ny 24 ora, ilay rivodoza Faida. Foana avokoa ireo filazana loza voarain'ireo Faritra sy Distrika voakasika teo aloha... • Fanosehana ny olona ho eny an-dalambe ny fandrarana ny fivorian'ny mpanohitra tato ho ato, hoy ny Antoko VAMI. Manahy ny ho avin'ny fahafaha-maneho hevitra eto Madagasikara izy ireo... • Mihamaro isa ireo olona voatazona am-ponja amin'ny vanim-potoana fahavaratra tahaka izao. Lasa fomba ny fanaovan-dratsy ho an'ireo tsy manan-kialofana, mba ahafahana mahita toerana hipetrahana...

• Hiditra anio tolakandro eo anelanelan'i Brickaville sy i Fenoarivo Atsinanana, ilay rivodoza Faida... • Tsy tanteraka ny hetsika saika notanterahan'ny mpampianatra teny amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena omaly. Nikasa ny handray fitenenana teo anatrehan'ny Minisitra izy ireo, nandritra ny fananganan-tsaina... • Mihena isan-taona ny farihin'i Mandroseza, izay mamatsy ny 90%-n'ny rano ilain'ny mponin'Antananarivo sy ny manodidina. Mihatototra ny eny an-toerana noho ireo olana samihafa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...