8 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 1-8)

♦ Nampiantso ireo mpikamban'ny Governemanta teny Tsimbazaza androany, ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra. Nibahan-toerana ny fangataham-panazavana momba ny olan'ny rano sy ny jiro ankehitriny... ♦ Nanazava momba ny delestazy misy amin'izao fotoana izao ny Minisitry ny angovo androany. Ny 30%-ny filana herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina ihany no vokatra amin'izao, hoy izy... ♦ Teratany Malagasy miisa 25, nampodiana an-tanindrazana, rehefa nikasa hiditra an-tsokosoko atsy amin'ny nosy Mayotte. Nisy 5 hafa nogadraina any an-toerana, noho izy ireo efa matetika no tratra amin'izao fiondranana izao...

♦ Mbola nanazava ny momba ny didim-pitsarana na ny ordonnance ahafahana manoratra ny anarana ao amin'ny lisi-pifidianana indray ny CENI. Nambara fa ireo olom-pirenena efa nisoratra anarana kanefa tsy tafiditra tao anatin'ny lisitra teo aloha no afaka manao fangatahana. Toa izany koa ireo feno 18 taona ka mahafeno ny fepetra ho mpifidy... ♦ Dinihan'ny antenimieran-doholona androany ny volavolan-dalàna momba ny fandaharan'asa tetezana miantona na ny Fly Over Makis... ♦ Marin-toerana ny toe-karena teto Madagasikara ka notazonin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara ny tahan'ny zana-bola fampiasa ao aminy...

Isany fototra hatongavana ho amin'ny fandrosoana ny safidy, izay fahafahana misy eo amin'ny tsirairay, indrindra ho an'ny olom-pirenena. Safidy ratsy ny fanapotehana ny ho avin'ny ankizy, indrindra izay mahakasika ny fanabeazana ; ny fanaovana tsinotsinona ny lafiny ara-panabeazana dia fanimbana ny fototry ny fampandrosoana. Ny fitiavan-tanindrazana dia ny fanomezan-danja ny soa iombonana ho an'ny vahoaka 30 tapitrisa eto amin'ny nosintsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...