♦ Sahirana amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra manoloana ny fepetra vaovao apetraky ny amerikanina amin'ny entana miditra any aminy ireo tompon'ny orinasa. Nihaona tamin'ny Ministry ny Asam-panjakàna sy ny Asa ary ny Lalàna Sôsialy ny vondron'ny Orinasa Afak'Haba eto Madagasikara... ♦ Miofana amin'ny tsara ho fantatra momba ny teti-bola ny firaisamonim-pirenena malagasy. Ilaina ny mangarahara amin'ny fandrafetana azy raha tiana ny ahazoana vokatra tsara ho an'ny toe-karena sy sôsialy hoy MSIS TATAO... ♦ Miara-miasa amin'ny fahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny fahavitantena ara-tsakafo...
10 aprily — Tsy fantatra mazava izay toerana mazava nahaterahan'i Fulbert, fa hoe avy amin'ny fianakaviana mahantra izy. Ny fantatra momba azy dia ny fanarahany ny fampinaran'i Gerbert d'Aurillac tao Reims tamin'ny taona 984. I Gerbert d'Aurillac io ilay papa Sylvestre II taty aoriana.
Ny Tenin'Andriamanitra dia toy ny voa afafy, ka izay mandray azy no tonga zanak'Andriamanitra. Ny misterin'ny Eglizy Masina dia miseho eo amin'ny nanorenana azy. Misy fifandrasainy ny Fanjakàn'Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, manamarina izany ny teniny nanao hoe : Raha ny ratsan-tanan'Andriamanitra no androahako ny demony dia efa tonga aminareo tokoa ny Fanjakan'Andriamanitra... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Nambaran'ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, Kaomandin'ny Zadarimariam-pirenena teo aloha, fa tsy misy ambadika politika ny lahateny nataony ny 2 avrily 2025, nanamarihana ny Andron'ny Zandarimariam-pirenena... • Mandindona an'ireo mpiasa an'alina eto Madagasikara ankehitriny ny tsy fananana asa, tao aorian'ny fampiakaran'ny fitondrana amerikana ny haban-tseranana amin'ireo entana miditra any aminy... • Azo antoka ny fiantohana ny fiarovana ho an'ny sidina an'abakabaka miditra eto Madagasikara. Nihatsara ny laharana misy an'i Madagasikara eo amin'ity sehatra ity...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco