Ny Eglizy dia vatan'i Kristy ; noho ny batemy dia vatana iray monja isika rehetra ao amin'i Kristy na dia maro aza. Ny Batemy dia fahateraham-baovao ho antsika : natsoboka ao amin'ny ain'i Kristy isika, naiditra ao amin'ny Eglizy isika ka manjary misitraka amin'ny fomba manokana ny fanoloran-tenan'i Kristy, izay maty sy nitsangan-ko velona... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Nihaona tany Paris androany, Andriamatoa isany Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery, Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara teo aloha. Niresaka ny olana samihafa sedrain'ny vahoaka Malagasy ankehitriny izy ireo... • Tsy anavahana firehana na antoko politika, fa vonona hisokatra sy haira-miasa amin'ny Ben'ny Tanana rehetra ny fitondram-panjakana... • Hiaro ny tombontsoan'i Frantsa no antony hahatongavan'ny Filoha Frantsay, Emmanuel Macron eto Madagasikara, raha ny hevitry ny Komity Foiben'ny antoko MFM...
• Efa mivoaka ireo sary famantarana sy hira faneva ho fankalazana ny Andro Nasionaly ho an'ny Vovonan'ny Olondehibe... • Nozaraina ho Vikaria Episkopaly telo ny Diosezin'i Farafangana... • Nanao antso avo ho fanafoanana ny sazy fanamelohana ho faty, ny Papa François...
Fambolena miaro ny tontolo iainana : mahaliana ny tanora Tafita any amin’ireo tanora nahazo tohana ara-piofanana avy amin’nytambazotra iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampiofanana amin’ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR sy ny Réseau SOA ny fahaza-manao noratovin’izy ireo.Nahita tombotsoa ireo tanora nampihatra ny fambolena miaro ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny rano tao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo
ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ato amin’nydistrikan’Ambohidratrimo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco